Colossians 4

1Ry tompo, omeo ireo andevo izay marina sy rariny. Fantatrareo fa ianareo ihany koa manana tompo iray any an-danitra.

2Mahareta mandrakariva amin’ny fivavahana. Miambena amin’izany amin’ny fanomezana fisaorana. 3Miaraha mivavaka ho anay ihany koa, mba hanokafan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny, mba hilazana ny fahamarinana miafin’i Kristy. Nohon’ny amin’izany, dia voafatotra aho. 4Mivavaha mba ahafahako manazava izany, raha tokony hiteny aho.

5Mandehana amin’ny fahendrena any amin’ireo izay any ivelany, ary araraoty ny fotoana. Aoka ny teninareo hiaraka amin’ny fahasoavana hatrany. 6Aoka ireo ho vonton-tsira, mba hahafahanareo mahalala ny fomba tokony hamalianareo ny olona tsirairay.

7Raha ireo zavatra momba ahy, dia i Tykyko no hampahafantatra ireny aminareo. Izy dia rahalahy malala, mpanompo mahatoky, ary mpiara-manompo ao amin’ny Tompo. 8Nalefako any aminareo izy noho izao, mba ahafahanareo mahafantatra ny zavatra momba anay, ary mba ahafahany mampahery ny fonareo. [Fanamarihana eny ambanin’ny pejy: ireo dikan-teny sasany taloha mivaky hoe: “nalefako any aminareo izy noho izao, mba ahafahany mahafantantra ireo zavatra momba anareo, ary mba ahafahany mampahery ny fonareo”. ] 9Nalefako izy niaraka tamin’i Onesimosy, ilay rahalahy mahatoky sady malala, izay iray aminareo. Izy ireo no hilaza aminareo ny zava-drehetra izay efa nitranga taty.

10Aristarko, ilay miara-migadra amiko, dia miarahaba anareo, tahaka izany koa i Marka, havan’i Barnabasy (izay nahazoanareo baiko; raha mankany aminareo izy, dia raiso), 11ary Jesosy ihany koa izay antsoina hoe Josto. Ireo avy amin’ny voafora ireo ihany no mpiara-miasa amiko ho an’ny fanjakan’Andriamanitra. Fampiononana ho ahy izy ireo.

12Epafra dia miarahaba anareo. Iray aminareo izy ary mpanompon’i Kristy Jesosy. Mitolona am-bavaka ho anareo foana izy, mba hahatanteraka anareo ary hahazo antoka tanteraka ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra. 13Fa mijoro vavolombelona ho azy aho, fa miasa mafy ho anareo izy, sy ho an’ireo any Laodika, ary ho an’ireo izay any Hierapolia. 14Lioka ilay mpitsabo malala sy Demasy dia miarahaba anareo.

15Arahabao ireo rahalahy any Laodika, sy Nymfa, ary ny fiangonana izay ao an-tranony. 16Rehefa voavaky eo anivonareo ity taratasy ity, dia ataovy vakiana ao amin’ny fiangonan’ny Laodikiana ihany koa, ary ataovy voavakinareo ihany koa ny taratasy avy any Laodika. 17Lazao i Arikipo hoe: “Tandremo ny asa fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo, fa tokony ho tanterahinareo izany.”

18Ity fanaovam-beloma ity dia ataon’ny tanako manokana -Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Copyright information for PltULB